AMBODIAMPANGA ITAOSY

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka


  • Zoma 13 Jona 2025

Mampikolay ny maro ny hataon’ireo mpanendaka eny Ambodiampanga Itaosy,

lalana midina mankany Ampasika raha miainga eo amin’ny kinininabe avy any Ambohidrapeto, Atsimondrano. Isa-maraina amin’ny 04 ora sy sasany izy ireo no fantatra fa miandry ireo mpiantsena maraina sy ireo olona handeha hiasa sy hianatra. Miafina eo ambody kininina ary miaraka amin’ny antsy ireo mpanao ratsy ka rehefa tsy misy vola any amin’ireo olona mifanehitra aminy dia tapitra raofiny avokoa ny firavaka eny amin’ny tendany sy ny tanany. Raha sanatria ka tsy ahitany na inona na inona kosa ireo olona sendra azy dia vonoiny ka nisy mihitsy ireo fantatra fa efa naratra mafy vokatr’izany. Hatramin’ny nahamaizinabe ny andro izany hoe : nanomboka tamin’ity volana Jona ity no nisian’izany, hoy ny vaovao azo. Manampy trotraka izany hoy ny mponina ny delestazy lavareny izay tsy mifidy ora intsony. Notsiahiavin’izy ireo moa fa efa manangona 1.000 Ar isan-tokantrano hatrany izy ireo mba hanampiana ireo vatan-dehilahy manao fiambenana amin’ny alina saingy tsy misy vokany izany. Any amin’ny toerana lavitra misy azy ireo hatrany no mitranga ilay asa fanendahana. Manahy ny mety hisian’ny ambadika mikasika izany ireo mponina eny amin’ny manodidina.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana ety Ambodiampanga Itaosy ety !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT