Fandriampahalemana

Amboavahy-Ambohimanarina Mpanendaka noraisim-potsiny


  • Zoma 29 Desambra 2017

Lehilahy iray, 31 taona monina eny Amboavahy Ambohimanarina no voasambotry ny polisy avy ao amin'ny Boriborintany fahatelo eny Antaninandro teny an-tranony, ny alarobia teo, noho ny resaka fanendahana.

Ny faramparan'ny volana novambra 2017 dia nisy Ramatoa iray nametraka fitoriana olon-tsy fantatra tao amin'ny biraon'ny polisy eny Antaninandro. Voalaza tamin'izay fa niharan'ny fanendahana teo Antanimena ny tenany ka very ny poketrany izay nisy finday miisa roa sy vola. Nilaza ilay Ramatoa fa tadidiny tsara ny endrik'ilay nanendaka azy. Raha sendra nandeha namangy fianakaviana teny Amboavahy ilay renim-pianakaviana ny alarobia, 27 desambra dia nifanena tamin'ilay lehilahy nanendaka azy. Niantso ny polisy avy hatrany izy ka dia izao izy voasambotra izao. Natolotra ny fampanoavana omaly alakamisy, 28 desambra 2017, ilay olon-dratsy ary notanana am-ponja vonjimaika avy hatrany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT