Fandriampahalemana

Amboatavo Itaosy Saron’ny polisy ilay mpanendaka aman-taonany maro


  • Alakamisy 12 Septambra 2019

Teo Amboatavo Itaosy no tra-tehaky ny polisy ny jiolahy iray voky traikefa aman-taonany maro amin’ny fanendahana zava-tsarobidy. Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny polisim-pirenena, lehilahy iray, 20 taona no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP Itaosy ny alatsinainy faha 9 septambra 2019

 

 

 

 rehefa avy nokarohina nandritra ny fotoana maharitra noho ny antony fanendahana. Matetika  misy olona  voaendakaeny amin’ny faritra manodidina ny Amboatavo Itaosy eny. Anisan’ireo efa nandefasan’ny Tribonaly didy fampisamborana ity tovolahy voasambotra ity. Vehivavy iray izay efa nendahiny volana vitsy ihany no nifanena taminy teo Amboatavo Itaosy ny alatsinainy io tokony ho tamin’ny 10 ora maraina ka niantso polisy avy hatrany. Vao nahita ny polisy nanatona azy ity tovolahy ity dia nandositra, raikitra ny fifanenjehana ka voasambotra tsy lavitra teo izy. Nandritra ny fanadihadiana azy dia niaiky izy fa efa an-taonany maro izy no nanendaka teny amin’ny faritra Itaosy ary efa any am-ponja ny namany sasany. Voalazany fa finday sy vola no tena alainy rehefa manendaka izy.

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT