AMBOASARY ATSIMO

Zaza mirahavavy nisy nanapa-doha


  • Zoma 27 Desambra 2024

Tsy mitsahatra ny fanapahan-dohan’olona eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy toy ny ao Amboasary Atsimo.

Raha araka ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia zazavavy kely miisa roa ka kilemaina ny iray no nisy nanapa-doha tao Eloty herinandro vitsivitsy lasa izay. Noloaran’ireo tsy mataho-tody ihany koa ny mason’izy ireo, tranga izay vinavinan’ireo mpanao fanadihadiana momba ny trangan-piaraha-monina fa avy amin’ny finoanoam-poana avokoa. Mbola betsaka amin’ireo olona any Atsimo mantsy no mino fa misy hery hafa ny mason’olombelona ary mety mampanan-karena tampoka mihitsy, antony mandrisika ny sasany hanao izao vono olona feno habibiana mahatsiravina izao. Ankoatra ny faritra Atsimo Andrefana moa dia efa nahitana tranga fanapahan-doha ihany koa teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.
Pati
Legende : Tsy milamina ny fandriampahalemana eto Amboasary Atsimo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT