Fandriampahalemana

Amboasary Atsimo Tsy mila OPJ, tsy mila Fitsarana ?


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Manefa izay tratra ! Jiolahy efatra no maty omaly, sady tsy nandalo mpanao famotorana na OPJ (Officier de Police Judiciaire) no tsy niakatra Fitsarana. Tratra ambodiomby tamin’ny halatra samihafa ireo.

 

 

 Nangalatra bisky, « couche » an-jazakely tao anatina tranombarotra iray tao an-tampon-tanàna ny iray, resaka halatr’omby avy any amin’ny Fokontany hafa ivelan’Amboasary no nahasamborana ny telo. Naseho velona ny vahoaka, avy eo nentina tamin’ny toerana misintaka ny tanàna, dia najedaka. Fampiharana ny kabary tao andrenivohitry ny Kaominina ambonivohitra Amboasary Atsimo ny 11 aogositra 2020 io. Tamin’io no nifaneken’ny fikambanan'ny tanora MIRAY (Behara, Amboasary Atsimo) fa hiaro, hiara-hiasa, hampandriana fahalemana indray ny tanàna. Tamin’io fotoana io koa no nanolorana sy nampahafantarana ampahibemaso ny vahoaka an’ny Kapiteny Dédé na « Tsy mitsitsy », izay komandy vaovao ny Kaompania 519 an’ny miaramila ao Amboasary Atsimo. Nanafatrafatra ireo izay mbola hikasa ny hanao ratsy i Kapiteny « Tsy mitsitsy », mba hampijanona avy hatrany an’izany fa tsy hisy indrafo na fialantsiny ho an’izy tratra fa tonga dia vitainy. Nampitandrina ireo olobe sy mpanao politika mikasa hanao « intervention » hanafahana ny mpanao ratsy koa ny tenany fa hovitany miaraka amin’ireo jiolahy ihany koa. Sivifolo andro moa no nomen’i Kapiteny « Tsy mitsitsy » handaminany an’ity distrika malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana ity.

Nangonin’i Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT