Fandriampahalemana

Amboasary Atsimo Mpampianatra iray maty notifirin’ny dahalo


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Mpampianatra iray vao 35 taona monja no maty notifirin’ny jiolahy omaly tao kaominin’i Tsivory any amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany dia nandeha moto niaraka tamina vehivavy iray,

 

 

 

 hamonjy tsena ao amin’ny kaominina Marotsiraka ity mpampianatra ity saingy nosakan’ireo olon-dratsy mitam-piadiana. Tsy lavitra ny kaominina Ankilitelo no niseho ny fanafihana. Notifirin’ireo jiolahy, tamin’ny basy Baïkal calibre 12, avy hatrany ilay raim-pianakaviana ka voa teo amin’ny sorony havia. Ilay vehivavy kosa voadaroka, ka naratra. Nentin’izy ireo ny firavaka volafotsy niaraka tamin’ny kitapo nisy ny vola sy entam-barotr’ireo niharam-boina. Raha ny vaovao voaray dia mpanam-bola iray no nokendren’ireo jiolahy, kanefa dia izy mianadahy mianaka indray no lasibatra. Tsy tana ny ain’ilay mpampianatra na dia nentina namonjy hopitaly aza. Efa nalain’ny fianakaviana omaly ihany moa ny razana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT