Fandriampahalemana

Amboasary Atsimo Maty voatifitra i Mindry, ilay jiolahy nifampitadiavana


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Jiolahy iray no maty voatifitry ny Polisy ny sabotsy 18 febroary teo tokony ho tamin'ny 11 ora atoandro tany amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo rehefa nanafika tao an-tanana.

Raha araka ny fantatra dia jiolahy efa malaza ratsy amin'ny asa fanafihana mitam-piadiana izy io ary efa hifampitadiavana. Sendra nandalo izy nandritra izany ka raikitra ny fifanenjehana. Efa nampandre azy rahateo ny tao amin'ny fokontanin'Ankofafa mba tsy handositra intsony. Mboa lasa ihany anefa ity farany ka nitifitra avy hatrany ny mpitandron'ny filaminana. Tsy tana vokatr’izany ny ain’ilay jiolahy noho ny ratra nahazo azy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana ny razana fa izy ilay antsoina amin'ny anaram-bositra hoe : Mindry izay anisan'ny jiolahy rain-dahiny mpanao fanafihana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT