Amboasary atsimo

Avotra ny 3 tamin’ireo olona 4 nalaina an-keriny


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Taorian'ny fakàna an-keriny ireo olona 4 mianaka niaraka tamin'ny omby miisa 20 tao

amin'ny fokontany Befiamy, kaominina ambanivohitra Mahaly, distrikan'Amboasary Atsimo ny 2 martsa 2025 lasa teo dia avotra soa aman-tsara ny 3 tamin'izy ireo ny 6 martsa 2025, noho ny ezaka nentin'ireo mpitandro filaminanana, hoy ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitry ny teo anivon'ny hery fiarovana sy filaminana na "Forces de Défense et de Sécurité" (FDS) izay nahitana ireo miaramila miantsehatra eo anivon'ny fari-piarovana sy filaminana Mandrare, tarihin'ny lehibeny dia ny Jeneraly Ramamonjisoa Eugène sy teo anivon'ny vondrom-pileovana ny tobim-paritry ny zandarimaria miasa ao amin'ny faritra Anosy ka namonjy avy hatrany tao amin'ny kaominina ambanivohitra Tranomaro mba hanao ny asa fikarohana sy fametrahana ireo paikady rehetra hikarohana ireto olon-dratsy tamin'ny alalan'ny fampiasana ireo fiara tsy mataho-dalana. Raikitra ny fifandonana teo amin'ny mpitandro filaminana sy ireto mpaka an-keriny ka rehefa tsy nahatohitra izy ireo dia navotsony ny olona 3 teny am-pelatanany, izay avotra soamantsara ary tsy misy ahiana ny momba azy ireo. Mipetraka ao Betsomotsoy, fokontany Manorira, kaominina ambanivohitra Mahaly, ireto olona izay nalaina an-keriny ireto. Mbola mitohy hatrany ny hetsika hanavotana ny olona iray mbola voatazona any amin'ireo mpaka an-keriny amin'izao fotoana izao izay tanterahin'ireo FDS any amin'iny faritra iny miaraka amin'ireo fokonolona any an-toerana, raha ny fampitam- baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • MPILOKA AN-DALAMBE ENY
  • Zoma 24 Aprily 2026

ANALAKELY Nosamborin'ny

  • Saika hanafika mpanao
  • Zoma 24 Aprily 2026

"versement" Jiolahy 3 rotiky ny balan'ny

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

Hijery ny tohiny
FTT