Fandriampahalemana

Ambilobe Vehivavy 3 tratra nangalatra lavanila maitso


  • Zoma 20 Mey 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka DIANA ny vehivavy miisa telo afak’omaly 18 mey rehefa nividy lavanila maintso halatra.

Fantatry ny mpitandro ny filaminana any amin'iny faritra iny ny fisiana andian'olona manana sy mandray l vanila halatra na lavanila maintso. Nidina ifotony izy ireo nijery ilay tanana voalaza, nanao ny fanaraha-maso izy ireo ka vehivavy miisa telo no tra-tehaka tao amin'ny trano fonenany tao amin'ny Fokontany Andimaka, kaominina ambanivohitra Ambohimena, distrikan’Ambilobe. Nandritra ny fisavana natao dia mbola nahitana fandanjana miisa 02 fampiasan'izy ireo sy vanila maintso milanja 288,70kg tao aminy. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny Polisy CSP Ambanja ireto farany. 32, 46 ary 53 ny salan-taonan'izy ireo hoy ny vaovao.
Nangonin’i Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT