Fandriampahalemana

Ambilobe-Ambanja Rongony maina 46 taonina sy voan-drongony 45 kg no tratra


  • Alarobia 23 Jona 2021

Rongony lena 470.000 fototra, rongony maina 46 taonina, voan-drongony 45 kg nodorana, olona 27 voasambotra tany Analabe Distrikan’Ambanja sy Ambilobe.

 Hentitra ny hetsika manokana nidiana tamin'ny zava-mahadomelina nataon'ny Groupement Zandarimaria tao anatin'ny faritra Analabe ao anatin'ny distrika Ambanja sy Ambilobe, nanomboka ny faha 04 ka nifarana ny 20 jona 2021 ka izay no nahatrarana azy ireo, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Velaran-tanin-drongony sahabo ho 61 ha no nopotehina izay nahasaronana rongony maniry 470 000 fototra sahabo ho 94 taonina, rongony efa maina 46.370 kg ary voan-drongony 45 kg ireo sarona ireo. Nahitana basy vita gasy ihany koa tamin'ireo Andian'olona miisa 27 mpamboly rongony teny an-toerana ka ny roa amin'izy ireo dia jiolahy mpamongady (gros bonnets). Nopotehina avy hatrany teny ifotony ireo rongony lena sy maina raha ny 6 taonina maina kosa nodorana teo anatrehan'ny manampahefana sy ny mpanao gazety. Tsy hilefitra ny Zandarimaria fa hofongorina hatrany izay misehatra na manjifa ity karazan-java-mahadomelina ity, izay hita fa mampirongatra ny asan-jiolahy eto amin'ny Nosy. Mbola hitohy ny ezaka, hoy ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT