Fandriampahalemana

Ambatosoratra , Ambatondrazaka Lehilahy roa nodoran’ny fokonolona velona


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Tovolahy roa omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no indray nodoran’ny fokonolona velona tany amin’ny kaominin’ Ambatosoratra,

distrikan’Ambatondrazaka. Lasantsy no nandoron’ireo fokonolona azy, izay nohampangaina ho namono tovolahy kely iray tany an-toerana herinandro maromaro lasa izay. Mbola tena voamarina anefa io vaovao io hoy ny loharanom-baovao azo fa niainga tamin’ny resaka kihonohono. Ireo fokonolona efa tezitra mafy nitondra azy roalahy ireto no nanapa-kevitra hany ka tsy nisy nahafahan’ny mpitandro ny filaminana niditra an-tsehatra intsony. Voasakana mafy rahateo ireto farany mba tsy hiditra. Vokany, namoy ny ainy izy roalahy.Raha araka ny vaovao azo moa dia saika isan-taona no hitrangana fitsaram-bahoaka tahaka izao ao Ambatosoratra Ambatondrazaka. Efa eo am-pikarohana izay niavian’ilay feo sy nanatanteraka ilay fandorana velona azy mirahalahy ireto moa ny mpitandro ny filaminana any an-toerana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT