Fandriampahalemana

Ambatoroka Maty voatifitry ilay jiolahy saika hanafika Villa


  • Talata 31 Martsa 2020

Manao fanamby hatrany ny poisim-pirenena fa tsy hitsitsy mihitsy manoloana ireo olon-dratsy mbola mahasahy manararaotra ny vahoaka Malagasy amin'izao toe-java-miseho eto amin'ny firenena izao.

 

 

 

 Ny alahady alina teo dia andian-jiolahy saika hanafika "Villa" iray tetsy Ambatoroka no nifanehatra tamin'ny Polisin' ny "Unité Spéciale d'Intervention" ka lavon'ny balan' ny Polisy tamin'izany ny olon-dratsy iray izay mbola nahitana bala sy basy vita gasy teny aminy raha tafaporitsaka kosa ny namany. Fantatra fa isan'ireo nifampitifitra tamin'ireo Polisy tetsy Antsahabe io jiolahy io ka izao nifanehitra tamin'ny mpitandro ny filaminana izao indray. Voasoroka ihany koa ny vaky trano nitranga tetsy Andohatapenaka rehefa tonga ara-potoana teny an-toerana ny Polisin'ny Boriborintany fahafito. Mitohy hatrany ny asan'ny Polisim-pirenena, mivoha 24/24 ora ary 7/7 andro avokoa ny sampan-drahararaha eo anivon'ny Minisiteran'ny filaminam-bahoaka hanampiana ny olom-pirenena.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT