Ambatondrazaka

Vehivavy iray nahatrarana rongony 8 kg


  • Alakamisy 07 Septambra 2023

Vehivavy iray 31 taona no voatery nosamborin’ny polisy rehefa nahatratrarana rongony nandritra ny fisavana ny fiara mampitohy an'i Tanambe miazo an’ Ambatondrazaka.

Tao Ankazotsaravolo no nahazoana azy io afak’omaly 05 Septambra tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Kilometatra vitsy tsy hidirana ny renivohitr’Ambatondrazaka no nisy fiara mpitatitra nosakanana, raha tsiahivina ka nojerena ireo mpandeha tao anatiny. Nandritra izany no nahitan'ireo polisy fihetsika hafahafa izay nataon’io vehivavy io. Nozahana avy hatrany ny entana izay nentiny ka tratra tamin’izany ny rongony 30 fosona milanja 8 kg. Nentina nihazo ny birao ny Polisy avy hatrany ity farany sy ny mpamilin’ilay fiara nanaovana ny fanadihadiana. Naiditra ambalam-pamonjana kosa ilay fiara.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy tratra nitondra rongony tao anaty fiara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra tariby amin'ny RN1
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Fahavalom-pirenena

  • HAFATRY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

NY POLISIM-PIRENENA

  • HERISETRA,
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

VONO OLONA, FAMONOAN-TENA

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

Hijery ny tohiny
FTT