Fandriampahalemana

Ambatondrazaka Rakotra asan-jiolahy ny tanàna


  • Talata 12 Desambra 2017

Rakotry ny fanafihan-jiolahy ny tanànan’Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo.

 

 Ny tao amin’ny fokontany Ampasambazimba sy Antanifotsy no tena nitondra faisana. Tao Ambohimiangaly fokontany Ampasambazimba, mpivarotra enta-madinika iray no voatafika. Raha iny handeha hitsikilo ireto olon-dratsy iny ny olona iray mpiray vodirindrina dia notorahan’ireo jiolahy tamin’ny biriky ka voa teo amin’ny lohany. Ankoatra io dia toerana fiompiana kisoa iray no nanamparan’ireo jiolahy ny asa ratsiny mbola tamin’io farany herinandro teo io. Rakotra asan-jiolahy ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro ny sabotsy sy ny alahady teo. Hatreto, tsy mbola nahitam-bokany ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana. Mila mitady vahaolana mahomby ny mpitondra foibe raha tena hitsinjo vahoaka marina.

                                               Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT