Fandriampahalemana

Ambatondrazaka Raikitra ny halatra taova ?


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Matahotra mafy ny mponina any Ambatondrazaka sy ny manodidina amin’izao fotoana taorian’ny zava-nitranga ny alakamisy lasa teo. Ankizy mirahalahy 16 taona sy dimy taona no nanamparan’ireo jiolahy ny hadalany.

Avy niava fary tao an-tsaha izy ireo ka nandeha nitady sakafo no nifanehitra tamin'ireo jiolahy ka voadaroka sy voarasarasa tamin'ny antsy. Teo amin’ny sampanana mampisaraka ny kaominina Soalazaina amin'ny kaominina Tanambao Besakay no niseho ny fifanandrinana. Maty tsy tra-drano noho ny daroka nahazo azy ilay boaikely 5 taona fa ilay zokiny kosa ny taovam-pananahany no bory tsy teo intsony. Sarety sendra nandalo no nahita azy mirahalahy nivalampatra tamin'ny lalana ka nitondra azy ireo tao an-tanàna. Manodidina ny 7 km miala ny tanàna no misy io toerana namonoana ireo jiolahy azy mirahalahy ireo. Nisy fiara vaventy nijanona tsy dia lavitra ny toerana nitrangan’io famonoana io ka mipetraka amin'io ny ahiahin’ny fianakaviana. Inona marina no nataon’io fiara io teo ? Sarotra inoana ihany raha fiara hitsangantsangana izy io fa ao raha, hoy ny mponina any an-toerana. Vao miha mitaintaina koa ny olona satria nanomboka niparitaka ny feo fa misy ny halatra taova. Tsy tany Ambatondrazaka ihany no nahenoana ny feo fa na teto Antananarivo na tany Antsirabe sy ny faritra atsinanan’ny nosy iny izay samy nisy fotoana nahitana tranga hafahafa amina fatin’olona hita dia tsy misy maso na misy voadidy eo amin’ny kibony. Hatreto aloha dia tsy mbola nisy ny fanambarana avy amin’ny manampahefana fa misy tokoa ny halatra taova na efa maro aza ny tranga notaterina olona maro manerana ny nosy. Mety ho fanakorontanana saim-bahoaka ihany koa anefa izany, hoy ny mpitandro filaminana nanontaniana. Mihorohoro ny olona, indrindra fa ny any ambanivohitra noho io resaka mandeha amin’ny halatra taova io. Fotoana izao hanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana lalina mba hampisinda ny ahiahy fa tsy ambara fotsiny hoe tsaho sy fanakorontanana saim-bahoaka io.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT