Fandriampahalemana

Ambatondrazaka Gadra 4 tafaporitsaka, voatiifitra ny iray


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Voafonja miisa 4 mirahalahy no tafaporitsaka ny fonjan'Ambatondrazaka omaly alarobia 27 may 2020 tokotokony tamin'ny 12 ora sy sasany atoandro.

 

Nihanika ny tambohon'ny fonja izy reo araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra, nanao ny tifitra fampitandremana ireto farany saingy mbola nitsoaka ihany ireto gadra ireto ka voatifitra teo amin'ny feny ary naratra mafy ny iray. Tao amin'ny honahona ambany antsinanan'ny fonja no nahatratrarana ireo 3 lahy rehefa nifanenjehan'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona teo amin'ny manodidina. Efa naverina ao amin'ny fonjan'Ambatondrazaka ireto gadra nilefa ireto ary manaraka fitsaboana ny iray amin'izy ireo. Naka an-keriny zaza tsy ampy taona, ka migadra 20 taona ny iray araka ny fitsarana tamin’ny 2018. Ireo 3 migadra mandritra 2 taona notsaraina ny janoary teo noho ny halatra. 830 ireo gadra amin’izao, raha 350 no zokan’ny fonjan’Ambatondrazaka. Ny 17 septambra 2017 no nisy fitsoahana tamin’ny alalan’ny fandoahana rindrina.

Toky R sy Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT