AMBATONDRAZAKA

Efa hamidy eny an-tsena koa ny rongony


  • Alakamisy 11 Janoary 2024

Lehilahy iray 39 taona no voasambotry ny polisy avy amin'ny

kaomisarian’ Ambatondrazaka afak’omaly Talata 09 janoary tokony tamin'ny 11 ora atoandro rehefa nivarotra rongony tao an-tsenan' Ambatondrazaka Fokontany Madiotsifafana. Fiaraha-miasa tamin'ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) tany an-toerana no nahazoan'ny Polisy io loharanom-baovao io fa misy lehilahy iray mitondra bisikileta miaraka amina gony misy rongony handeha ho ao an-tsenan' Ambatondrazaka. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy nanao ny velam-pandrika rehetra ka tratra ambodiomby nivarotra rongony ilay lehilahy. Tamin'ny fisavana azy dia nahatratrarana rongony milanja 5 kilao izay natao tao anaty gony natao miendrika kitapo mba tsy hahafantarana azy tany amin’io lehilahy io. Hiakatra fitsarana anio Alakamisy ny raharaha.
Pati
Legende : Ity ilay mpivaro-drongony tratra tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT