Fandriampahalemana

Ambatonapoaka Imerintsiatosika Fasana 3 nisy namaky, razana 16 nanjavona


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Mirongatra indray ny vaky fasana any Bemasoandro Ambatonapoaka, kaominina Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, lalam-pirenena voalohany.

Fasana miisa 3 no indray nisy namaky tany an-toerana afak’omaly Alatsinainy alina ka razana miisa 16 no indray niara-nanjavona. Raha tsiahivina kely ny tantara dia fasana roa mifanao Atsimo sy Avaratra no nisy namaky voalohany. Ho an’ialy fasana iray tao Atsimo dia razana miisa 10 ny tao anatiny ka iray sisa no tavela tao am-pasana. 2 amin'ireo razana 9 tao anatiny kosa no hany sisa tavela ho an’ilay fasana faharoa, raha olona misy rohim-pihavanana no tompon’ireo fasana roa ireo.Tovolahy naka katsaka vao maraina no nahatsikaritra ka nampandre ny tompom-pasana raha araka ny loharanom-baovao azo. Ny zandarimariam-pirenena ao Imerintsiatosika moa no mandray an-tanana ny raharaha izay efa nidina ifotony nijery akaiky ny toe-draharaha. Marihina moa fa fasana iray tsy lavitry ny tanàna ihany koa no vaky mbola tao Imerintsiatosika ihany ka tsy mbola fantatra hatreto ny isan'ireo razana very. Ranomasina sy alahelo moa ny an’ireo fianakaviana telo tonta miaina ity zava-doza ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Santionany tamin’ilay fasana vaky
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT