AMBATOMIRAHAVAVY

Zandary iray nisy nidaroka, lasa ny basy


  • Alatsinainy 27 Novambra 2023

Zandary iray no fantatra fa nisy nidaroka ary naratra mafy teny Ambatomirahavavy,

lalam-pirenena voalohany rehefa nanao fisafoana tamin’ny andro alina, ny alin’ny Sabotsy nifoha omaly Alahady 26 Novambra. Nitaingina moto io zandary io raha araka ny fantatra. Nisy Nikapoka avy any aoriana anefa izy raha ny loharanom-baovao azo ka nianjera ary mbola nanamparan’ireo jiolahy ny heriny ihany. Lasan’ireto farany nandritra izany ny basy kalachnikov teny aminy. Mbola tsy nahitana soritra moa ny momba ireto jiolahy nidaroka ity zandary ity hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Na izany aza efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba azy ireo. Efa manaraka ny fitsaboana sahaza azy kosa ilay zandary.
Pati
Legende : Tena voa mafy tahaka izao ilay zandary !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT