Fandriampahalemana

Ambatomirahavavy Maty voatifitra ireo jiolahy nandroba 17 tapitrisa Ar


  • Alakamisy 01 Desambra 2022

Jiolahy roa no maty voatifitry ny zandary tetsy Antanimenabe Ambatomirahavavy omaly folakandro

Manodidina ny dimy izy ireo no niaraka izay efa niandry tao anaty taxi brousse ny sasany raha araka ny loharanom-baovao azo. Mpiasa iray tao amin’ny tranom-barotra mpambongady simenitra iray tetsy Ambatomirahavavy kosa notafihin’izy ireo raha nikasa hanatitra vola 17 tapitrisa Ar iray tao amina banky iray etsy Imerintsiatosika. Raha vantany vao tafidina ilay fiara io olona nitondra vola io dia voaambana tamin’ny basy. Nosintonin'ireo jiolahy ny sakaosy feno vola teny am-babeny ka nitsoaka izy ireo. Nandritra izany anefa no niditra anètsehatra ny zandary avy ao Ambatomirahavavy ka maty voatifitra ny jiolahy roa. Mbola karohina kosa ireo namany telo hafa izay fantatra fa tao anatin’io taxi brousse io ihany raha efa tafaverina amin’ny tompony ilay volabe.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT