Fandriampahalemana

Ambatomiady Antanifotsy Tratra ilay tovolahy nangalatra moto


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Tovolahy iray vao 21 taona monja monina ao Antambohomena Kaominina Ambatomiady distrikan’Antanifotsy no nangalatra moto marika Fosti ny volana febroary lasa teo tany Ambohitompoina kaominina iray ao amin’ny distrikan’ Antanifotsy ihany.

 

 

 Nentiny nirifitra ilay motor aha vantany vao nifidy kely ny tompony ka tsy hita intsony izay tany nanjavonany.Nanao ny fikarohana ny zandary sy ilay tompony nanomboka teo.Tamin'ny alatsinainy 28 septambra teo, noho ny fiaraha-miasa matotra teo amin’ny zandary sy ny mpanome vaovao dia hita ka voasambotra ilay tovolahy.Rehefa natao ny fanadihadiana dia niaiky ny helony vitany izy ary nilaza fa izy tokoa no nangalatra ilay moto. Natolotra ny fampanoavana tamin’ny faran’ny volana teo ity tovolahy iray ity raha mbola karohina fatratra kosa ilay olona nivarotany ilay moto halatra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT