Fandriampahalemana

Ambatomena Ilay mpanampy an-trano ihany no naka ny entana rehetra


  • Alatsinainy 20 Febroary 2023

Lehilahy iray vao 21 taona monja no tratra niditra an-keriny tao amina tokantrano iray teny Ambatomena ny 16 febroary teo tokony ho tamin’ny 05 ora maraina.

Lasan’ity lehilahy iray ity tamin’izany ireo kojakojan'entana maromaro fampiasa ao an-dakozia toy ny vilany….Nampandre ny mpitandro ny filaminana ny zavatra nahazo azy ireo avy hatrany ireo niharam-boina. Taorian'ny fikarohana natao dia tratra ity lehilahy ity ka mbola hita teny aminy ny vilany lehibe miisa roa. Araka ny fantatra dia ity farany no tena tompon’antoka tamin'ilay asa ratsy niseho rehetra. Mpitatitra entana sy irakiraka tao amin’ity tokantrano vaky ity ihany izy ary mahafantatra ny ao an-trano sy ny manodidina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT