Fandriampahalemana

Ambatomaro Voasambotra ilay mpamatsy rongony


  • Zoma 29 Desambra 2017

Voasambotry ny polisy avy ao amin'ny Boriborintany fahatelo teo am-pivarotana rongony ny alarobia 27 desambra 2017, tokony ho tamin'ny 4 ora hariva i Claudine, 30 taona, monina eny Ambatomaro.


Mbola nahitana fonosan-drongony miisa 58 tany aminy. Vaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo no nahafantaran'ny polisy ny fisian'ity mpivarotra rongony ity, raha ny fanazavana. Nilaza izy fa misy olona manatitra ao aminy ireo rongony ireo ka 10.000 Ariary no hividianany ny iray sase kely. Lafony mandritra ny herinandro eo ireo rongony ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly alakamisy, 28 desambra 2017 ilay ramatoa.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT