Fandriampahalemana

Ambatomainty Ikamamavony Sarona ny basy iray sy grenady


  • Zoma 11 Septambra 2020

Basy mahery vaika iray sy "grenade" iray ary bala folo no saron’ny zandarimariam-pirenena ny 08 septambra 2020 tao amin’ny Kaominina Ambatomainty Ikalamavony.

 

 

 

 Na dia efa hita aza fa efa mihatsara ny fandriam-pahalemana any Ikalamavony, dia mbola totoafo ny hazalambo ataon'ny mpitandro filaminana any an-toerana ireo dahalo: zanaka sy mpiarad-ia amin'ilay raindahin-dahalo efa lavo antsoina hoe Ingahivao tao anatin'ny faritra Andoharano/Amboasary/ Ambatomainty/ Ikalamavony. Linjara-Lijama-Lizely..., ireo karohina. Noho izany indrindra no nanirahan'izy ireo olon-tsotra iray natao iraka hanatitra ireo fitaovam-piadiana mbola eo am-pelatanany, raha nandalo tany Fenoarivo Ambatofinandrahana ny Jeneraly komandin'ny Fari-piadidian'ny Zandarimaria Fianarantsoa sy ny Manamboninahitra mpandrindra (OFFCOORD) avy ao Ikalamavony, hoy ny zandary. Hita sy tsapa fa efa mihorohoro tanteraka ireo jiolahy sy dahalo any amin'iny faritra iny satria mihamafy ny ezaka ataon'ny mpitandro filaminana (Zandary sy Tafika), izay miara-miasa tanteraka amin'ny vahoaka any an-toerana. Mitohy ny hazalambo sy ny famotorana ka tsy ho ela dia ho sarona avokoa ireo dahalo rehetra nampihorohoro an'Ikalamavony sy Ambatofinandrahana ka hatrany Isandra, hoy ny fanambin’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

  • Miaramila 7 nanao jiolahy
  • Talata 28 Aprily 2026

Nanasa tànana ny Fanjakana…

  • Fanafihana
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

mitam-piadiana mpiasan'ny Jovenna

Hijery ny tohiny
FTT