Ambatomainty Amparavaravola

Zaza 3 natao « kidnapping » hitakiana 120 tapitrisa Ar


  • Zoma 26 Janoary 2024

Raha somary nangingina ny raharaha fakana an-keriny na « kidnapping »

tany Alaotra Mangoro noho ny hetsika ara-miaramila, izay nisiana fahafatesana sy fahasamborana ireo voalaza fa olon-dratsy tompon’antoka sy atidohan’izany sasany, dia miverina indray izany izao. Tokantrano iray indray mantsy no notafihin’ny jiolahy tao Ambatomainty Ampafarafaravola ny misasak’alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy 25 janoary 2024. Novakian’ireo olon-dratsy ny vavahady, ka tafiditra tao an-trano izy ireo. Nambanany antsy ny mpiambina, ary nofatorany skaotisa be ny vavany, hoy ny fitantarana. Nambanana basy ary nalaina ny firavaky ny renim-pianankaviana, norobaina ny vola 4 tapitrisa sy ny entana. Nofatorana ny iray trano, ary nobataina an-keriny ny zaza miisa 3 izay 15, 9, ary 5 taona. Antsasakadiny taoriana vao nahavaha ny fatorany vao afaka. Voalaza fa nisy fiara mazda sy «4x4» no nampiasain’ireo olon-dratsy. Efa niantso ny fianankaviana ireo olon-dratsy, ary mitaky volabe hatrany amin’ny 120 tapitrisa Ar, hoy ny vaovao. Tsy mety voafehy ny tsy fandriampahalemana, mampikolay ny fakana an-keriny izay hitakiana volabe an-tapitrasany, sesilany ny asan-jiolahy izay matetika misy fandatsahan’aina,… Taratry ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany avokoa izao.
Toky R
Sary indrana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT