Fandriampahalemana

Ambatolampy Tsimahafotsy Lehilahy iray maty voahosin’ny kamio


  • Alarobia 19 Jona 2019

Nandriaka ny rà teny Ambodifasina Ambatolampy Tsimahafotsy omaly. Lehilahy iray no maty tsy tra-drano teny an-toerana, ka voahitsaky ny kamio mpitaona tany izy io, raha fanamarihan’ny besinimaro.

Tsy mbola tena fantatra mazava hoe : iza tamin’ireo kamio maro mpitatitra tany eny an-toerana no tompon’antoka tamin’io loza mahatsiravina io satria nitsoaka sy mety efa nifangaro amin’ireo hafa. Nisy anefa ny sary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera naneho ilay kamio vao avy nanitsaka sy ilay lehilahy maty amina toerana somary tery, saingy tsy nijanona ilay fiarabe raha ny fanamarihana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony sy nandray an-tànana ny raharaha ny zandary. Natsahatra vonjimaika ireo kamio miasa, raha ny vaovao azo. Tokony tsy ho sarotra ny fahitana ny marina momba izay nahavanon-doza. Misokatra mazava ho azy ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny mpamily, raha toa ka mbola tsy nitonon-tena.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT