Fandriampahalemana

Ambatolampy Scooter sy vola 39.600 Ar no namonoany ny namany


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Moto scooter marika yamaha Cygnus sy vola mitentina 39.600 Ar no namonoan'ny tovolahy iray namany tany Ambatolampy.

Noho ny antso sy fanampiana nataon'ny olona tsara sitrapo tamin'ny kaomandin'ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ambatolampy, ny Chef d'escadron Rakotoarimanana Jaona Marika, izay nanome baiko ka nahatongavan'ny zandary ara-potoana anefa dia avotra soa aman-tsara io lehilahy io. Raha tsiahivina ny tantara dia mpinamana izy roalahy ireto samy avy aty Antananarivo. Nikasa handeha hamonjy tsingerin-taonan'ny namana iray hafa tany Antsirabe anefa izy ireo. Notaomin’ilay iray izay tompona moto hamonjy io tsingerin-taona nahaterahana io omaly alahady araka izany ilay namany. Niainga afak’omaly sabotsy hariva izy roalahy ireo. Teo Andalamahitsy, fokontany sy kaominina Ambohiandroso, anefa dia nivadihan'ilay tsy tompona moto ilay namany nitondra azy. Nijanona izy ireo ka novelesiny tamin’ny tavoahangy ny lohany ary notsindrominy tamin’ny antsy ny tratrany kanentiny nitsoaka nihazo an'Antananarivo ilay moto. Tsy maty anefa ilay namany tompona moto na izany aza. Nanana ny laharam-pindain’ny zandary ireo olona nahita azy ka avotra somantsara ity farany. Novelarina ny sakana teo Tsinjony nandritra izany ka voasambotra ilay nahavanon-doza niaraka tamin’ilay moto, sy finday techno spark 5 , vola ary ny antontan-taratasin’ilay moto.
Nangonin’i Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ny tompon’ilay moto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT