Indray lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny Fokontany Ambatolampy,
kaominina ambanivohitra Ambohijanaka, distrikan’Antananarivo Atsimondrano afak’omaly Sabotsy 02 Martsa tokony ho tamin’ny 10 ora alina latsaka kely. Raha tsiahivina kely ny tantara dia zandary miisa 07 avy ao amin'ny PF Ambohijanaka no nifanena tamin'ny andian'olona tsy latsaky ny 10.Toy ny mahazatra, rehefa mahita olona mivoaka alina anatin'ny fotoana fisafoana ny Zandarimaria, fomba fiasa efa hain'ny mponina, dia asaina mijanona mba ho savaina sy hamarinina ireo olona sendra hita ka mampiahiahy ny fihetsiny sy ny momba azy.Ireto andian'olona ireto kosa tsy nanaiky ny baiko nomena azy fa tifitra avy hatrany no navalin'izy ireo fiangaviana.Namerina fampitandremana ny Chef_de_Poste_Fixe nandritra izany mba hampitsaharana ny tifitra saingy mbola nisesy ny tifitr'ireto andian'olona.Nampiasa ny fahaiza-manao manoloana ny fanafihana ny zandary sady niaro tena, ka lavo teo no ho eo ny telo tamin'ireo olona nanafika. Nandositra kosa ireo namany. Basy_poleta misy tranom-bala efa mifahana, avy nipoaka ary misy bala roa, antsy, lefona, fanilo, hety marani-doha, sy zava-maranitra hafa no tavela teo amin'izy ireo.Nantsoina ny lehiben’ny borigady ao _Alasora hamelatra sakana ho an'ireo nitsoaka.Nantsoina koa ny mpitsabo hizaha ireo razana. Nantsoina ny sefom-pokontany ao Ambohijanaka sy ireo mpitondra manodidinanandritra izany saingy tsy nisy nahalala ireto lavon'ny bala ireto eny fa dia ireo fokonolona vory lanona aza. Tsiahivina moa fa anisan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana ny ao Ambohijanaka amin’izao. Vao tamin’ny herinandro no nisy ny fampilazana tamin’ny alalan’ny peta-drindrina nataon’ireo jiolahy fa ho avy masiaka izy ireo ka miisa 50 no indray hitontona tao an-tanana saingy tsy tanteraka izany, antony mampihetsika ny mpitandro ny filaminana tahaka izao.
Pati
Legende : Santionany tamin’ireo jiolahy maty voatifitra tamin’ny Sabotsy alina teo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.