Fandriampahalemana

Ambatofotsy – Tsiroanomandidy Nofiraina tamin’ny antsy ny loha sy ny tanan’izy 3 vavy


  • Zoma 11 Martsa 2022

Nampivarahontsana ireo fokonolona tao amin’ny fokontany Ambatofotsy –Tsena kaomina ambanivohitra Bemahatazana, distrika Tsiroanomandidy faritra Bongolova ny zava-niseho ny alarobia 09 martsa teo.

Telo mianaka izay ho any an-tsaha no nisy namono tamin’ny fomba nahatsiravina izay nandratrana olona tohy ny famonoana biby. Raha ny fahitana ny razana ireo dia nofiraina antsy ny tanana sy ny loha izy telo mirahavavy ary novakiana koa ny betrony. Natsipy tao anatin’ny rano mandeha ny vata mangatsika iray tamin’zy telo mirahavavy ireo. Raha ny loharano-baovao azo avy any an-toerana dia raharaha omby ity niteraka famonoana olona tamin’ny fonba feno habibiana . izay samy fianakaviana iray ihany ireto farany. Tsy lavitra ny tanimboly izay misy azy ireo no nahitana ny razana. Tranga izay tsy mbola fahita tao Tsiroamandidy ity trangana vono olona nahatsiravina ity raha nambaran’ireo mponina. Raikitra ny fikarohana ireo nahavanon-doza ataon’ny polisy sy ny zandary ary miaramila any an-toerana. Efa nanokatra ny fanadihadiana ihany koa ny mpitandro ny filaminana manoloana ny toe-draharaha ka hita eo ny vokatry ny fikarohana marina tamin’ny nahafatesan’ireo telo mirahavavy mianaka ireto tao amin’ny faritra Bongolava distrika Tsiroamandidy.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT