AMBATOFAHAVALO

Tratra ilay lehilahy mpisoloky cash point


  • Alatsinainy 07 Jolay 2025

Lehilahy iray havanana amin'ny fisolokiana cash point no sarona tany Ambatofahavalo

ny faran'ny herinandro teo. Raha tsiahivina ny fomba faisany dia mampiasa finday iray misy "Puce" miisa roa ny anaolahy. Raiketiny ao anatin'ny lisitra fizahana ny laharan'ny finday iray ka ataony Mvola no anarany. Ilay laharana noraiketiny hoe Mvola no andefasany hafatra an-tsoratra amin'ilay laharana iray hoe : "𝑹𝒆𝒕𝒓𝒂𝒊𝒕 𝒓𝒆́𝒖𝒔𝒔𝒊 : 95.000 𝑨𝒓 𝒂𝒖𝒑𝒓𝒆̀𝒔 𝒅𝒆 ----- (038--76165) 𝒍𝒆 04/07/25 𝒂̀ 08:06. 𝑭𝒓𝒂𝒊𝒔 1300 𝑨𝒓 𝑹𝒆𝒇 012345678". Toy ireny hoe : avy naka vola ireny mihitsy ny tenany. Asehony ilay olona eo amin'ny cash_point io hafatra io ary raisiny ny vola mifanandrify amin'izany. Somary nanano-sarotra moa ny tambajotran-telefonina tany an-toerana ka nitaky fotoana elaela vao afaka nanamarina ny toe-bola ambiny ny tompon'ny cash point ka izay no nohararaotiny. Teo anefa no nahatratrana ny lehilahy. Miantso ny rehetra ho mailo noho izany ny zandary. Miezaka mivoatra sy manatsara ny asany hatrany mantsy ireo mpisoloky izay efa misafidy ny hanao izany ho anton'asa raikitra mihitsy ankehitriny.
Pati
Légende : Ity ilay ranamana mpisoloky hikoizana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT