Fandriampahalemana

Ambatobe Tsy nampihontsona ilay mpanendaka ny daroka


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Vehivavy iray avy naka vola teo amin’ny BFV Ambatobe no nendahan'ny tovolahy iray tsy lavitra teo omaly.

 

 

 

 Raha ny fitantaran’ny nanatri-maso dia rehefa noratrainy tamin’ireny trident ireny teo amin’ny lohany ilay vehivavy dia nihantsy ady tamin’izay olona nandalo teo ity mpanao ratsy ity. Tovolahy iray no nandeha niaro ilay vehivavy ka notsatohan’ilay mpanendaka zava-maranitra teo amban’ny fony. Nipiritika ny rà. Lehilahy iray mitondra moto indray no nively ilay mpanendaka tamin’ny aroloha izay vao nianjera ilay olon-dratsy. Tonga nifampitazomana izy avy eo ka samy namely daka sy totohondry nandaroka azy izay olona teo nanala ny hatezerany kanefa dia tsy nisy nahavita nandratra azy akory. Tsy nihontsona mihitsy izy. Tonga ny polisy avy eo nitondra ity olon-dratsy ity sy ilay moto. Ilay tovolahy voatsatoka zava-maranitra kosa mbola tsy hay izay niafarany fa nentina any amin’ny hopitaly, hoy hatrany ny fitantaran’ny nanatri-maso. Fanontaniana manitikitika kosa ny hoe tena mafy toto ve ity olon-dratsy ity sa mitana ody tsy hahenoina marary ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT