Ambatobe

Tsy mandry ny tany, mikolay ny vahoaka


  • Talata 24 Septambra 2024

Efa ho 2 volana teo izao no mahatsikaritra ny mponina eny Ambatobe fa misy tontakely

eo amin’ny efa-dahy eo mihaodihaody eny an-toerana manao asa fanendahana, vaky fisoko, hala-boty, mianika trano sy rehefa azo faritana hoe asana tontakely izany. Hatramin’ny febroary 2023 no efa nandeha ny antsoavo ny amin’ny mba hijerena ny fandriampahalemana amin’iny lalam-baovao mihazo an’Andranobevava , Nanisana, Soamanandrariny iny. Ambatobe ambany mihazo an'Analamahintsy voalaza tamin’ireny fotoana ireny fa mirongatra ny fanendahana raha vao harivariva. Ankehitriny izany, raha ny fampitam-baovao voaray ihany, dia saika itrangana vaky trano hatrany eny amin’iny Ambatobe sy ny manodidina azy iny isak’alina ary velon-taraina manoloana izany tsy fandriampahalemana izany ny mponina eny an-toerana. Sendra nifoha aho izao, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, hoy ny raim-pianakaviana iray monina eny an-toerana, dia nisy nifampisioka sy nifamaly tany ivelany tany. Akaikin’ny lalam-baovao na «rocade» io, hoy izy. 15 minitra taorian’izay, nisy niantso vonjy. Nisy fotoana efa tafiditran’ny tokontaniko ry zalahy ireo. Efa tafakatra tany amin’ny rihana voalohany vao heno. Lasibatra ny akoho amam-borona, ny kisoa, izay vitan’izy ireo tsy migika mihitsy, rehefa biby fiompy. Ny fanendahana eo amin’ny «Rocade» Nanisana manginy fotsiny. Eny amin’ny «Rocade» rahateo no maha tafaporitsaka an-drizalahy. Tsy misy afa-tsy ny miantso vonjy sy mifanome laharana finday manoloana ireo tranga anefa no azon’ny mponina tena atao ka hanaovana antsoavo amin’ny tomponandraikitra mahefa ny amin’ny mba hijerena ny fandriampahalemana ety, hoy hatrany ity raim-pianakaviana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT