Fandriampahalemana

Ambato boeny Niova endrika ny tsy fandriampahalemana


  • Talata 22 Martsa 2022

Niova endrika ny tsy fandriampahalemana ao Ambato boeny satria tsy misy intsony ny omby marobe alain’ny dahalo na famonoana olona mahatsiravina matetika sy fandorana tanana, hoy ny ben’ny tanana ao an-toerana, Jean Valerien Rakotonandrasana.

 Tena mbola misy nefa, hoy izy, ny halatra omby ary io ny omby very ao amin’ny distrikan’Ambato boeny dia miakatra aty amin’ny distrikan’I Maevatanana. Antony ilazanay io hoe raha asiana toby miaramila eo amin’ny mampifandray an’I Betsiboka sy Boeny dia ho foana ny halatra omby. Efa misy kaominina iray vonona hanome 300 ha ahafahan’ny miaramila mitoby sy mamboly ary misy rano azo ivelomana. Omena maimaipoana ny miaramila izany. Efa naterinay any amin’ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena ny taratasy momba izany, 2 taona lasa izay. Tsy fantatra moa hoe misy tambazotra ve no mahatonga ilay dahalo tsy mamono olona intsony fa dia maka ireo omby iasana aloha zareo, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT