Fandriampahalemana

Ambaravarankazo Ambohimanarina Voaambana basy no sady voadaroka ilay mpitondra moto


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontany Ambaravarankazo Ambohimanarina, Boriborintany fahaenina,

afak’omaly talata 06 septambra. Lehilahy iray nitondra moto jog Pro handeha hamonjy fodiana no narahaina jiolahy miisa roa tamin’ny moto iray hafa miloko mena avy ao aoriana ka nosongonany rehefa mangingina ary nosakanany sy nambanany tamin’ny basy. Nasainy nidaboka tamin’ny tany ny tompon’ilay jog pro avy eo ka noentin’izy ireo avy hatrany ilay moto jog pro no sady nanao tifi-danitra izy ireo mba tsy hanarahany azy. Niantso vonjeo tamin’ny manodidina teo ny tompon’ilay moto jog pro noho izany ka nanenjika ireo olon-dratsy ny fokonolona. Vantany vao nahare izany anefa ny polisy miasa eny manodidina dia tonga teny an-toerana ka nisambotra ireo olon-dratsy izay marihina fa tratra tsy lavitra teo. Marihana fa mbola tratra teny amin’izy ireo ny basy nampiasainy marika « Rohm modèle RGS » ary mbola nahatrarana antsy iray ihany koa teny amin’izy ireo. 30 taona sy 23 taona moa ireo jiolahy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy mpisompatra moto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT