Fandriampahalemana

Ambanintsinanana Ivandry Tovovavy 21 taona maty notsatotsatohana antsy


  • Alakamisy 15 Septambra 2022

Tovovavy iray vao 21 taona monja no hita faty tao anaty tanin-tsaonjo ao Ambanitsinanana Ivandry omaly takariva, araka ny vaovao re omaly hariva.

Faritra maro amin'ny vatany no nahitana dian'antsy, hoy ny fanamarihana. Isan'izany ny teo amin'ny fony, izay heverina fa isan'ny nitarika ny fahafatesany. Miahiahy fisian'ny fanolanana ny mponina. Raha araka ny fitantaran'ny mponina dia nifanandrify tamin'ny nahatapahan'ny jiro noho ny delestazy teo anelanelan'ny tamin'ny 6 ora sy sasany hariva ka hatramin'ny 8 ora alina no nitrangan'izany. Zanaka vavitokan'ny Reniny izy io. Efa eny an-toerana ny dokotera sy ireo mpitandro ny filaminana. Tsy azo nalaina sary izany ho fanajana azy sy ny fianakaviany, sady voararan'ny mpitandro ny filaminana ary maizina tanteraka ilay toerana, hoy ny fampitam-baovaon'ny pejin-tseraseran'ny fahitalavitra iray omaly takariva. Tsy milamina ny tany ka aoka samy hitandrina mandrakariva.
Nangonin'i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT