AMBANIALA ITAOSY *

Vehivavy no mpamatsy rongony ny tanana


  • Alatsinainy 15 Aprily 2024

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin ' ny kaomisaria CSP Itaosy

teny Ambaniala Itaosy ny vehivavy iray 28 taona ny 07 Aprily lasa teo rehefa nivarotra rongony. Tafiditra hatrany tao anatin’ ny fanantanterahana ilay hetsika manokana tanterahan ' ny Polisim-pirenena antsoina hoe "Sarika " izy ity. Tsikaritr 'ireo mpitandro ny filaminana miasa eny an - toerana ny fisian ' olona izay voalaza fa mivarotra zava - mahadomelina eny amin 'iny faritra iny. Niroso tamin ' ny fanaraha - maso avy hatrany iretsy voalohany ka sarona nandritra izany ity vehivavy voalaza etsy ambony ity.Mbola nahatrarana rongony 37 fonosana lehibe sy 03 sachets tao aminy nandritra ny fisamborana azy. Fantatra moa fa izy no mpamatsy iny toerana iny. Efa naiditra am-ponja vonjimaika moa ity vehivavy 28 taona ity.
Pati
Legende : Niaraka tamin’ny rongony marobe tahaka izao Rakalakely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT