Fandriampahalemana

Ambana ara-pandriampahelamana Milaza tsy hanaiky lembenana ny EMMO.NAT


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Nivory tetsy amin’ny toby Jeneraly Ratsimandrava ny "État-major Mixte Opérationnel National" na ny EMMO.NAT omaly, fivoriana fanaony isaky ny telo volana.

Tonga nitarika izany ny jeneraly Andry RAKOTONDRAZAKA, kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena sy ireo mpiara-mitarika ny EMMO.NAT avy ao amin'ny Tafika Malagasy sy ny Polisim-pirenena. Niompana tamin'ny fanaovana tomban'ezaka sy jery todika momba ny fandriam-pahalemana manerana ny nosy tao anatin’ny telovolana voalohan'ny taona 2022, ny ambana mety hitranga amin’ny telovolana manaraka sy ny fanomanana sahady ny fetin’ny pentekosta ary ny fetin’ny fahaleovantena 26 jona ny resaka. Tombana, tsapa araka izany ny fihenan’ny fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena sy ny tontolo ambanivohitra. Nitombo kosa anefa ny fakana an-keriny indrindra fa ny teny ambanivohitra sy ny halatra tny antanan-dehibe. Tranga vaovao ary tena efa miparitaka any amin’ny faritra sy faritany ihany koa ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina maherivaika na ny « drogues dures » izany, izay hita fa mampirongatra ny asa-ratsy (halatra moto ataon'ny tanora, fanafihan-jiolahy, fanolanana). Efa mandray fepetra ny mpitandro filaminana ary nanome baiko ny EMMO.FAR isam-paritany sy EMMO.REG isam-paritra mba samy handray andraikitra mifanandrify azy avy ka hanena ireo trangana tsy fandriam-pahalemana ireo. Hataon’ny EMMO.NAT vaindohan-draharaha araka izany ny fampihenana ao anatin’ny fotoana fohy ireo endrika fandikan-dalàna ireo mba hilaminan’ny vahoaka Malagasy. Izany dia iarahana amin'ny fiarahamonina ifotony ao anatin'ny "Tagnamaron'ny Fandriam-pahalemana" amin'ny alalan'ny fifanakalozam-baovao sy dinam-piaraha-monina (Ambanivohitra) entina hisorohana ireo fandikan-dalàna rehetra izay mety hitranga. Hatevenina ihany koa ny fisafoana sy fanaraha-maso ety an-drenivohitra. Nangonin’i Pati
Legende: Vonona hiady amin’ny tsy fandriampahalemana ny Emmo-nat !
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT