Fandriampahalemana

Ambalavary Mahabo Olona 3 nisy naka an-keriny, zaza ny iray


  • Alakamisy 02 Jona 2022

Manomboka mahazo vahana indray ny fakana an-keriny any amin’ny distrikan’i Mahabo. Olona miisa 3 izay ahitana zaza iray no indray nalain’ny dahalo an-keriny omaly tao amin’ny faritra Ambalavary,

Fokontany Andranovory kaominina ambanivohitra Ankilizato. Dahalo miisa 6 raha araka ny vaovao azo no indray niditra an-keriny tao amin’ity tanana ity naka ireo olona ireo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva dia mbola tsy nisy resaka fakam-bola tamin’ny fianakavian’izy 3 mianaka ireto aloha hoy ny vaovao. Ny hany feo mandeha dia nentin’ireo dahalo efa lasa lavitra ny tanana izy ireo ka ahiana ho reraka sy noana mafy. Nomarihin’ny kolonely Ramonjanirina Pierre Emilien, kaomandin’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimariam-pirenena ao Menabe moa fa efa ao anatin’ny ady mafy entina hanavotana azy 3 mianaka ireo izy ireo hatramin’ny omaly alina koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha. Mifandray tsy tapaka amin’ny fianakavian’izy 3 mianaka ireo ihany koa izy ireo hahazoam-baovao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT