AMBALAMANASY TOAMASINA

Teratany Camerounais vaky loha notafihin’ny jiolahy


  • Alatsinainy 24 Febroary 2025

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina ao.Tera-tany Camerounais 1 no fantatra fa nisy nanafika.

Jiolahy manodidina 10 misaron-tava no nanao ilay asa ratsy raha araka ny vaovao azo omaly Alahady 23 Febroary tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany maraina. Nisaoty tamboho ireo jiolahy ireo niditra tao an-tokontany no sady nitondra basy PA, sy barre a mine. Rehefa vaky ilay trano dia niditra ny sasany raha niandry ny manodidina sao mivoaka kosa ny sasany. Nokapohin’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ny lohan’ilay Camerounais ka torana tsy voalohany raha voahambana antsy tsy afa-nihetsika ilay mpiambina sy ny vadiny. Notetezin'reo jiolahy avokoa ny efitrano rehetra taorian’izany ka lasa nitsoaka izy ireo rehefa afa-po tanteraka. Ankoatra ity tranga ity moa dia fantatra fa nisehoana fitsaram-bahoaka ihany koa tao Bazar Valpison Toamasina omaly Alahady tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Mpangalatra ireo tratra ireo izay miisa 2 ka namoy ny ainy ny iray raha naratra mafy kosa ny iray. Mbola tsy nisy havany naka moa ny razana izay fantatra fa naterina ao amin’ny hopitaly manara-penitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Naratra mafy tahaka izao ilay tera-tany vahiny Camerounais !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT