Fandriampahalemana

Ambalamanasy Toamasina Mpamaky trano 5 lahy voasambotry ny zandary


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Jiolahy miisa 5 amin'ireo 6 izay nanafika tokantrano iray no voasambotry ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona tao Antetezantona Fokontany Ambodisaina,

 

 

 

 kaominina ambanivohitra Ambalamanasy, distrikan’i Toamasina II, tamin'ny alin'ny 17 aprily teo. Tamin'ny zoma 17 aprily teo tokony tamin'ny 07 ora sy 10 minitra, dia nahavoaray antso ny zandarimaria fa misy andian-jiolahy miisa 06 izay manao saron-tava, mitondra antsy lava sy kibay, no tonga tao Antetezantona nandroba tokatranona mpamboly iray antsoina hoe : dadan'i Avotra izay voafira antsy ny tarehiny, vola 1 tapitrisa Ar no voaroba. Marihina fa 03 km miala ny tobin'ny Jenia miaramila Barikadimy io toerana io, ka noho ny fifandaminana teo anivon'ny EMMO/REG Atsinanana, dia ny Jenia no miandraikitra avy hatrany io faritra io. Na izany aza dia samy tonga teny an-toerana daholo na polisy na ny zandary. Vao niala kely ilay toerana nanaovany ny asa ratsiny anefa ireo jiolahy dia nifanehitra tamin'ny miaramilan'i Jenia sy ny fokonolona nanara-dia, ka raikitra ny fifampitifirana. Jiolahy iray no tratra sambo-belona noho izany. Afaka minitra vitsy dia tonga koa ny zandary ka jiolahy iray hafa koa no voasambotra niaraka tamin'ireo fokonolona. Nitohy ny sava-hao ka tamin'ny 02 ora maraina dia tratran'ireo fokonolona sy ny miaramilan'i Jenia ihany koa ny 02 lahy, izay niafina tsy lavitra ilay toerana nisian'ny fifanjevona. Tsy nijanona hatreo ny fikarohana, fa rehefa natao fanadihadiana an'izy 04 voasambotra ireo, dia nanambara ny namany ka voasambotry ny zandary ny iray fahadimy. Iray fokotany daholo moa izy ireo, avy any amin'ny dépôt 04 Analakininina izay tafiditra ao anatin'ireo "bande des 15". Ny 18 aprily dia niverina teny an-toerana avy hatrany ny avy tao amin'ny Zandarimaria nanohy ny famotorana sy niaraka tamin'ny Ben'ny tanàna ka nanao fanentanana ho fanamafisana ny andrimasom-pokonolona. Napetraka ao antoerana ihany koa ny zandary miisa telo. Nomena ireo fokonolona ny laharana finday antsoina raha misy tranga mampiahiahy 119 telma (gratuit) sy ny 0342014597. Tsikaritra fa mba hialan'ireo jiolahy amin'ny "couvre-feu" izay ampiharina ankehitriny noho ny coronavirus dia somary aroson'izy ireo kely ny ora hanaovany ny asa ratsiny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT