Fandriampahalemana

ALASORA Zandary sandoka 2 nanendaka mpampiaraka maro


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Mahare vaovao hatrany zana-tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena eny Alasora fa misy jiolahy miisa roa izay mitonona ho mpitandro filaminana manendaka izay mpifankatia sendra mampiaraka

 ao Ambohitrandriananahary akaikin'ny Rovan’Alasora. Ny atoandron'ny 20 aogositra 2021 tokoa raha tsiahivina dia nidina ifotony teo amin'ny toerana voalaza etsy ambony avy hatrany ireo zandary ao Alasora rehefa nahazo fanairana tamin'olona tsara sitrapo. Tra-tehaka tao anaty ala-kesika tao Idoho/Miadana/Alasora, tsy lavitra ny toerana voalaza etsy ambony ny jiolahy iray izay antsoina hoe : Edmond niaraka amin'ny basy poleta fanairana (pistolet d'alarme) iray teny ambalahany, raha tafaporitsaka kosa ny namany iray. Niray hina ireo zandary sy ny fokonolona tao Idoho ka nikaroka ilay tafatsoaka saingy jiolahy iray hafa antsoina hoe : Elysé izay fantatra fa naman'izy ireo mpanao izany no voasambotra tao anatin'io ala-kesika ao Idoho io, afaka ora iray. Raha araka ny fantatra moa dia "survêtement" na mpitandro ny filaminana izy ireo, ary mitonona sy manizingizina fa tena mpitandro ny filaminana tokoa rehefa miresaka amin'ireo olona iharan'ny asa ratsin'izy ireo. Anontaniany sy mody hadihadihany ireo lasibatra ary hataon'ny iray amin'izy ireo hita kely ilay basy eny am-balahany. Noho ny tahotra dia voatery ireo olona manome an'izay zavatra takian'izy ireo toy ny finday, vola, peratra sady hampitahorin'izy ireo hoentina hatao famotorana any amin'ny Toby zandary raha mitady tsy hanaiky ny fitakiany. Nisy ihany koa ireo vehivavy nasain'izy ireo nanala akanjo sy voatsapa teny amin'ny faritra maha vehivavy sady nanaovan'izy ireo resaka sy fihetsika mamoafady. Efa natolotra ny fampanoavana moa izy roalahy tratra ireto.
Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT