Fandriampahalemana

ALASORA Nahazo kaomisarian’ny polisy vaovao


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Voavaha amin’ny ampahany ny tsy fandriampahalemana mampitaraina ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano .

 

 

 Nahazo kaomisarian’ny polisy vaovao mantsy ny kaominina Alasora izay vao notokanana omaly raha ho avy tsy ho ela ihany koa ny an’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny fokontany Miadana. Mitentina 120 tapitrisa Ar ny vola lany  izay nisy komity natsangana nanara-maso ny fandeham-bola ary eny By-pass no misy ny fotodrafitrasa. Ny minisitera no nanome ny drafitry ny trano ka natokana ao ambany rihina ny birao fiasana rehetra miampy ny “violon”. Any ambony rihina kosa ireo kaomisera rehetra no miasa, fotodrafitrasa izay hiasa tsy ho ela. Mandray ny olana rehetra mety mitranga eny anivon’ny fiarahamonina ity kaomisarian’ny polisy vaovao eny amin’ny By pass ity, raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Alasora Atoa Marc Ramiaranjatovo omaly. Lohalaharana amin’izany ny lozam-pifamoivoizana noho ny fisian’ny loza mateti-pitranga eny amin’ny lalana  By-pass, ny vaky trano, ny vono olona….Nomarihin’ingahy Ben’ny tanàna fa vokatry ny ezaky ny tsirairay no nahafahana nanangana ny fotodrafitrasa, narahin’ny fanampian’ireo malala-tanana sy ny minisitry ny filaminam-bahoaka.

Pati sy Marigny

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT