Fandriampahalemana

ALASORA Mirongatra ny halatra varavaramby


  • Alatsinainy 19 Desambra 2022

Lehilahy iray 24 taona no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’ Alasora omaly alahady 18 desambra teo rehefa avy nangalatra varavaramby.

Efa maro ireo olona velon-taraina fa very varavaram-by eny amin'iny Alasora sy ny manodidina iny. Ny alin'ny 17 desambra no fantatra fa nisy nangalatra ny varavaramby an'olona mipetraka eny amin'ny manodidina ny tetezan'ny TV Plus iny. Tra-tehak'ireo Polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana teny Ankadindratombo araka izany ity lehilahy ity nitondra varavaramby maromaro izany fantatra fa vao avy nangalariny. Rehefa noentina natao famotorana teny amin'ny biraon'ny Polisy izy dia fantatra fa efa nisy nitory ihany koa ary efa ela no nitadiavan’ny olona azy. Efa fanta-daza amin'ny resaka halatra sy vaky trano ity lehilahy ity ary efa maro ireo olona nitaraina tamin'izany. Notazonina ao amin’ny biraon'ny Polisin’ Alasora moa ity lehilahy ity mialohan'ny hanolorana azy eny amin'ny fitsarana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay mpangalatra tratra sy ireo varavaramby avy nangalariny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT