Fandriampahalemana

Alasora Efa mpamerin-keloka ilay mpamaky trano tratra


  • Alatsinainy 07 Septambra 2020

Ny 03 septambra lasa teo dia lehilahy iray no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Alasora teny amin’ny fari-piadidiany noho ny halatra mitam-piadiana.

 

 

Araka ny tabataba sy ny antsoantso nataon’ny vahoaka teny an-toerana izay nilaza fa misy olona nanafika ary mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika no nahafahan’ny polisin’Alasora nisambotra ity lehilahy ity. Nandritra ny fisamborana azy dia nahitana Pistolet Factice iray , arme blanche iray sy fitaovana maromaro ilaina amin’ny famakiana trano toy ny pince coupante sy barre à pince tany aminy. Araka ny fanatra dia ity lehilahy voasambotra ity hatrany no tompon’antoka tamin’ireo vaky trano mitam-piadiana niseho lany teny amin’iny faritra iny. Maro ihany koa ny vesatra hanenjehana azy ao amin’ny polisin’Alasora. Efa mpameri-keloka moa ity lehilahy ity ary vao nivoaka ny fonja vao haingana. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy ny lehilahy.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT