ALASORA AVARADRANO

Hamafisina ny andrimasom-pokonolona


  • Zoma 22 Martsa 2024

Nivory ny Ben'ny tanana’Alasota Randriantsoa Jimmy sy ireo sefom-pokontany

ary ireo mpitandron'ny filaminana avy ao Alasora omaly Alakamisy hariva. Dinika momba ny fandriampahalemana no natao tamin’izany mba hahafahana miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Tapaka nandritra izany fa hohamafisina ny andrimasom-pokonolona ka nisaotra manokana ny mpiara-miombon'antoka tamin'ny fanamboarana ny Badge ny Ben’ny tanana. Nanentana ny mponin’Alasora rehetra ihany koa izy nandritra izany mba hitondra karatra manga rehefa tratra alina. Eny anivon'ny fokontany no fakana izany hoy hatrany ny Ben’ny tanana nanamafy ny teniny. Ho an’ireo sendra mampiatrano vahiny dia niangaviany mba hanantona ny fokontany hanoratra ireny vahiny ireny. Toraka izany koa mpampanofa trano. Tompon'antoka tanteraka amin'ireo mpanofa ny tranony izy ireny hoy ny Ben’ny tanana raha tsy misoratra eny amin'ny fokontany iretsy voalohany nefa tojo olana tampoka. Samy nandray ny andraikitra tandrify azy moa ireo mpivory nandritra izany.
Pati Legende : Hentitra ny fihaonana teto !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT