Fandriampahalemana

Alarobia Mpitsabo iray maty voatsatok’antsy


  • Talata 11 Janoary 2022

Maty notsatohan'ny olon-dratsy tamin'ny antsy tao amin'ny toeram-pidiovana na "douche" i Dr Ramasimbohitra Lalaharivony, mpiasa am-perin'asa teo anivon'ny Service de la Nutrition Tsaralalana,

 vadin'ny Médecin inspecteur Anosy Avaratra. Omaly tokony ho tamin'ny 03 ora maraina no nisy nanafika, ka tsy tana ny ain'ity mpitsabo 53 taona ity noho izany ratra izany. Tsy hay na hangalatra na tena hamono no tanjona? Ny tantara dia fianakaviana 2 no tao Alarobia toerana nisehoan'ny fanafihana no nanao fety kely fa sitranag. Io trano ao Alarobia io dia tranom-pianakaviana avy amin'ny Médecin inspecteur vadin'io Dokotera maty io, fa any Anosy Avaratra no tena tranony. Nisy olona iray tafiditra tao an-trano, nanao ny asa ratsy, nikiakiaka ilay dokotera, namonjy azy ny vadiny sy ny zaodahin'ny vadiny, raikitra ny ady ka naratra izy 2 lahy namonjy, fa tratra ilay namono, nanao fandrahonana ilay tratra hoe maty ianareo raha mivoaka eo fa misy 11 lahy ao ivelany miandry. Niantso polisy dia natolotra ny polisy ilay tratra, ary mandeha ny fikarohana. Tsy tana kosa ny ain'ilay mpitsabo izay lasibatra voalohany. Vitsy ny dokotera nefa mbola vonoina amin'ny fomba feno habibiana. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviana mana-manjo isika eto amin'ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT