Fandriampahalemana

Alaotra Mangoro Goragora ny fandriampahalemana


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Olona iray namoy ny ainy, iray hafa naratra mafy. Io no vokatry ny fanafihan-jiolahy tamin’ny toeram-pivarotana iray ao Ambatondrazaka ny alin’ny alarobia 22 novambra hifoha ny alakamisy 23 novambra tokony tamin’ny 1 ora maraina.

Marihina fa mpiambina ilay fivarotana ireo lasibatra. Midika izao fa marisarisa tanteraka ny tontolon’ny fandriampahalemana ao anatin’ny faritra Alaotra Mangoro. Ny faramparan’ny herinandro teo dia nisesy ny fanafihana sy ny vaky trano tao amin’ny kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka. Nifanandrina koa ny jiolahy sy ny fokonolona tany amin’ny ilany avaratry ny distrikan’Ambatondrazaka. Nitondra faisana koa ireo mponina tao amin’ny ilany atsinanan’ny kaominina Didy noho ny fanafihan-jiolahy tamin’iny herinandro iny. Mila vonjy, araka izany, Alaotra mMangoro ary mitady mpitantana mahay mandray andraikitra.

                                                       Niry A

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT