Alakamisy Fenoarivo

Mpamaky trano tratra tao anaty arimoara


  • Zoma 20 Jona 2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

arimoaran’olona rehefa nikasa hangalatra tao amina tokantrano iray tao amin’ny kartie JIRAMA Fokontanin’Antanety II, kaominina ambanivohitr’Alakamisy Fenoarivo. Raha araka ny fantatra dia tsy tao amin’io trano io ny tompon-trano fa mandalo fotsiny ihany. Ny mpiambina ny tanana koa anefa teo an-daniny nisy dia nalehany maharitra. Nahagaga sy nahavariana hoy ny vaovao azo fa nangingina ny manodidina rehefa nojerena. Niheritra anefa ny jiro tao amin’ny efitrano iray raha nisy nanapaka ihany koa ny grille de protection izay antonona olombelona iray. Nanao izay fomba nidirana nijerena ny tao anatiny ny zandarimaria vokatr’izany ka nikorontana ambony ambany ny efitrano rehetra. Hatrany an-dakozia izany ka hatrany an'efitrano fatoriana. Tao anaty arimoara kosa no tratra niafina ilay jiolahy ka noraisim-potsiny.
Pati
Legende : Nanamparan’ny fokonolona ny fony ilay ranamana saingy narovan’ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT