Fandriampahalemana

Alakamisy Fenoarivo Mody mivarotra lasopy ireo vahivavy mpamatsy rongony


  • Alakamisy 02 Febroary 2023

Vehivavy miisa efatra, 44,38 sy 23 ary 21 taona no tratra nivarotra rongony teny Alakamisy Fenoarivo ny 30 Janoary folakandro lasa teo.

Tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana ny fisian’olona izay voalaza fa mpamatsy rongony iny faritra iny. Tsy niandry ela fa tamin’io daty voalaza etsy ambony io ihany dia nandeha teny amin’ilay toerana voalaza io izy ireo.Natao ny fanaraha-maso sy ny vela-pandrika ka tratra tamin’izany izy telo mirahavavy ireto Ambohidrazana/Fenoarivo. Izy ireo indray avy eo no nahafahana nisambotra ny vehivavy iray hafa izay mpamatsy azy ireo. Iretsy voalohany moa izay irakiraka ka mody mivarotra lasopy izy ireo no sady mivarotra rongony. Efa nandritra ny 6 taona no namarotany ity rongony ity ary efa nigadra tany am-ponja noho ny resaka famarotana zava-mahadomelina ilay mpamatsy azy irep. Vao nivoaka ny fonja tamin’ny taona 2021 izy raha araka ny fantatra.Nahatrarana rongony miisa 11 isa moa teny aminy nandritra ny fisamborana azy. Karamaina 5.000ar ka hatramin’ny 10.000ar arakaraky ny tsena ireo mpivarotra. Vidiany 20.000ar ny rongony iray sachet plastika kely. Tsinjarainy izany ka hamidiny 1000ar ka hatramin’ny 2000ar ny fonosana iray. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy efatra mirahavavy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VARIRA NISY
  • Zoma 27 Novambra 2026

NANAFIKA TANY TSARATANANA

  • LOZA
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

SY FATY OLONA

  • PR JOSEPH-
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

TSINGERIN-TAONA MAINTY

  • Fanakorontanana
  • Alatsinainy 23 Novambra 2026

fiarahamonina

  • Lehilahy naka
  • Alakamisy 19 Novambra 2026

vola 2 tapitrisa Ariary

  • Ady amin'ny
  • Alarobia 18 Novambra 2026

heloka bevava an-tserasera

Hijery ny tohiny
FTT