Fandriampahalemana

Alakamisy Fenoarivo Jiolahy 2 rotiky ny balan’ny zandary


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Nirefodrefotra ny basy teny Alakamisy Fenoarivo omaly takariva tokony ho tamin’ny 6ora hariva, raha ny vaovao azo.

Jiolahy manodidina ny 4 no voalaza fa nikasa hanafika «Quincaillerie». Nifanehitra tamin’ny zandary anefa izy ireo, ka raikitra ny fifampitifirana. Vokany, 2 maty voatifitra, ary nisy ihany koa iray naratra ka voasambotra, ary iray hafa voalaza fa tafaporitsaka. Sarona niaraka tamin’ireo lavo sy voasambotra ny basy mahery vaika marika kalachnikov, sabatra lava lela, barre à pince,... Nisy horonan-tsary fohy niparitaka tao amin'ny tambajotra "facebook", ka voalaza fa iray tamin'ireo jiolahy ireo ny iray, izay niafina tao ambany kamio sy hita nitsoaka, rehefa naheno poa-basy.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT